Tantara kilasy famaranana/Ny tombam-bokatry ny Ady Lehibe Faharoa

FAMINTINANA

hanova

Ho fehiny, dia ny ady lehibe faharoa, dia ady nahafatesana olona maro, nahapotehan-javatra tsy hita pesipesenina ary nahatonga fahasahiranana lalina teo amin’ny lafiny ara toe-karena sy ara-bola, indindra ho an’ny eoropeanina. Nohon’ny ady anefa, dia lasa firenena matanjaka sy mifehy izao tontolo izao tamin’ny lafiny rehetra ny Amerikana sy ny sovietika.

NY TOMBAM-BOKATRY NY ADY LEHIBE FAHAROA

hanova

Ny ady lehibe faharoa izay naharitra 6 taona, dia nifarana tamin’ny volana Septembre 1945. Ny faharesen’I Alemaina nazi ny volana Avrily 1945 sy ny filavoan’I Japana lefona taorian’ny daroka baomba atomika tany Nagasaki sy Hiroshima no tranga nanamarika ny fiafaran’ny ady. Navesatra ireo vokatra nateraky ny ady.

Tombana teo amin’ny lafiny mponina

hanova

Ny fahafatesana olona

hanova

Tombanana ho 50 ka hatramin’ny 60 tapitrisa ny olona maty. Araka io isa io, dia azo lazaina fa ny ady lehibe faharoa no ady nahafatesan’olona be indrindra teo amin’ny tantaran’ny zanak’olombelona. I Eoropa no kaontinanta nisian’ny maty be indrindra satria dia nahatratra 30 tapitr’isa no maty tao. Ankoatra ny maty dia namela olona nitondra takaitra, kamboty ary mananontena an’apitrisany ny ady.

Fiovana teo amin’ny lafiny ara-mponina

hanova

Nahatonga tsy fifandanjana maro ny ady :

  • Ny vehivavy no lasa maro an’isa teo anivon’ny mponina.
    • Ohatra : tany URSS raha 94 tapitr’isa ny lahy dia, 114 tapitr’isa ny vavy.
  • Nitombo isa ny beantitra, ary nihena ireo olona afa-miasa.
  • 30 tapitrisa ny olona nafindra toerana nohon’ny antony samihafa.

Teo amin’ny lafiny ara moraly

hanova
  • Fikorontana, an-tsaina lalina nateraky ny fahitana ireo habibiana niseho nadritry ny ady
  • Fikomiana anaty noho ireo heloka bevava nitranga nandritra ny ady.

Tombana teo amin’ny lafiny ara toe-karena

hanova

Teo amin’ny lafiny materialy

hanova

Nohon’ny faharetan’ny ady, dia marobe ireo fahapotehan-javatra : ireo fotodrafitr’asa an-tanan-dehibe toy ny trano, orinasa, lalana… ary ireo tany fambolena maro izay tsy azo nambolena intsony.

Teo amin’ny lafiny ara-bola

hanova

Nahatonga fahasahiranana ara-bola goavana ny ady, indrindra ho an-dry zareo eoropeana. Nohon’ny fandaniam-bola miopapana nandritra ny ady, ireo findramam-bola, dia latsaka an-katerana ry zareo eoropeana: tsy nanambola intsony no boka trosa. Vokatr’izany, dia lasa niankin-doha manoloana an i Etazonia sy ireo firenem-baovao matanjaka toa an’i Canada ny Eoropeana.

Tombana teo amin’ny lafiny ara toe-karena

hanova

Faharavan’ireo tanjak’ireo firenena eoropeana ; Frantsa, Alemaina, Fanjakana Britanika, sy aziatika : Japana, Sina…

  • Fiovana teo amin’ny sisin-tanin’ny Eoropeana: I Alemaina ohatra dia nihena 24% nihoatra ny taona 1937.· Fihozongozonan’ny fanjakazakan’I Eoropa maneran-tany
  • Nanafaingana ny fanafoanana ny fanjanahan-tany ny ady ary nahatonga ny fisandratan’ireo firenena vaovao nitombo tanjaka : Etazonia sy ny firaisana sovietika.

NY LAMINA VAOVAO MANERAN-TANY NANOMBOKA NY TAONA 1945

hanova

Ny fifandanjan-kery vaovao

hanova

Ny fitotonganan’i Eoropa

hanova

Nahatonga ny fahalemen’i Eoropa ny ady lehibe faharoa. Nikoroso fahana ireo firenena matanjaka tao.

Teo amin’ny lafiny ara toe-karena, dia very teo ampelatanany avokoa ireo fototra niorenan’ny fanjakazakany maneran-tany. Ny fahafatesan’olona betsaka, ny faharavana sy ireo fahavoazana ara toe-karena ary ny tsy fananam-bola, dia nahatonga azy ireo hiankin-doha tanteraka manoloana an’I Etazonia sy ireo firenena matanjaka vaovao toa an’I Canada, Australie, Nouvelle Zélane… izay hany sisa afaka mamatsy azy amin’ireo filany andavan’andro sy manampy amin’ny fanarenana ny ady.

Teo amin’ny lafiny ara-politika, dia tsy natanjaka sy nanan-kasina ary nanjakazaka toy ny teo aloha intsony ny eoropeana. Ny ankamaroan’ireo firenena tany Eoropa afovoany sy Antsinanana, dia lasa teo ambany fiahian’ireo firenena matanjaka ary nihozongozona ireo Mpanjanaka.

Ny fisongadinan’ny Ngeza roa tonta sy ireo firenem-baovao

hanova

Ny fanjakazakan’ny « ngeza roa tonta » sy ny fipoiran’ireo firenea matanjaka vaovao no nanamarika ny lamina ara-jeografia politika taorian’ny ady.

Ny fahamafisan’ny tanjaka Amerikana
hanova

I Etazonia no firenena nahazo tombony indrindra tamin’ny ady. Nampanakarena azy misimisy kokoa io ady lehibe faharoa io. Voalohany indrindra dia nitombo avo roa heny ny famokarana indostrialy ny taona 1939-1945. Manaraka, nahatonga firoboroboana fatratra ho azy ireo ihany koa ny ady : saika foana ny isan’ireo tsy an’asa, nitombo avo roa heny no mihoatra ny fidiram-bolan’ny fanjakana. Ankoatra ny fahamafisana ara-toe-karena sy ara-bola, dia lasany avokoa ny 80% ny volamena maneran-tany. Farany, io tanjaka ara toe-karena io dia nanamafy ny fahamboniana amerikana sy ny lanjany maneran-tany teo anivon’ny sehatra maro: ara-politika, ara-tafika, ara-poto-kevitra…

Ny fisongadinan’i URSS
hanova

Lasa firenena matanjaka i URSS taorian’ny ady lehibe faharoa, eny na dia potiky ny ady aza ny toe-kareny. Ny tanjaka ara-tafika, indrindra fa ny fahareseny an’i Alemaina nazi, dia nanamafy ny toerany ara-politika maneran-tany. Ankoatra izay, dia nahazo tany betsaka ihany koa izy ho tambin’ny fahavoazana, ary lasa firenena midadasika indrindra maneran-tany. Teo amin’ny lafiny ara-poto-kevitra, dia nahazo vahana ny firehin-kevitra kaominisma tany Eoropa atsinanana, indindra teo anivon’ireo firenena nafahany . Niha nahazo laka tsikelikely maneran-tany izany fanjakazakana ara-poto-kevitra izany.

Nohon’ny tanjaka ara-tafika sy ara poto-kevitra no napatanjaka an’I URSS.

Ireo firenem-baovao
hanova

Nahatonga ireo firenena sasany hatanjaka ara toe-karena ihany koa ny ady. Toa an’i Etazonia, dia maro ireo firenena no nanararaotra ny ady teo amin’ny lafiny ara-barotra sy famatsiana an’I Eoropa. Anisan’ireo i Canada, Australie, Nouvelle Zélande, Argentine…

Ireo fototry ny ny fanarenana izao tontolo izao amin’ny laoniny taorian’ny ady

hanova
vaovao maneran-tany. 
Ny fihaonana tany Yalta 4-11 Febroary 1945
hanova

Fihaonana faharoa teo amin’ny telo tonta taorian’ny tany Téhéran ny taona 1943.tamin’io fotoana io dia efa akaiky ny faharesen’i Alemaina.

I F.D Roosevent (filoha amerikana) , J. Y Staline (filoha sovietika) ary i W. Churchill (praiministra britanika) no mpandray anjara.

Tany Yalta, dia nanapaka ireo mpandresy momba ny :

  • Fizarana an’ Alemaina ho fari-pifehezana efatra rehefa resy.
  • Fametrahana ny fototra vaovao ara politika sy ara demokratika any Eoropa toy ny fanatanterahana fifidianana malalaka, fametrahana governemanta iraisana.
  • Fandaniana ireo sori-dalana lehibe hampijoroana ny firenena mikambana
Ny fivoriana tany Potsdam ; 17 Jolay - 2 Aogositra1945
hanova

Tamin’io fotoana io, dia efa resy i Alemaina, ary mbo

Teo amin’ny lafiny ara toe-karena

hanova

· Ny fifanarahana tany breton Woods ny taona 1944 dia natao hametrahana lamina ara-bola vaovao (SMI). Mba hampifandanjana ny vola, dia noraiketina ho vola iraisam-pirenena ny dollar amerikana izay hany vola azo natakalo volamena.

· Natsangana ny FMI (tahiry iraisam-pirenena) mba hiaro ny fifandanjana ara-bola sy hanampiana ireo firenena tra-pasahiranana ara-bola..

· Natsangana ny BIRD( banky iraisam-pirenena ho amin’ny fanarenana) hanampiana ireo firenena potiky ny ady. Taty aoriana dia niova ho BM (banky iraisam-pirenena)

· Napetraka ny fifanarahan’ny GATT mba hampanjaka ny fifanankalozana malalaka maneran-tany.