Python/hadisoana/SyntaxError

Ny hadisoana SyntaxError dia anisan'ny hadisoana voalohany indrindra hitantsika rehefa mampiasa ny rindrankajy ibaikoana Python.

Ny dikan'izy io dia hadisoana iray ao amin'ny renifangonao : misy soratra tsy tokony misy ao amin'ny renifangonao, na misy soratra hadinonao tao amin'ny renifangonao.

Io renifango ao ambany io dia misy an'ilay hadisoana hoe SyntaxError : invalid syntax, izay midika hoe "Hadisoana ara-drafi-pitenenana : rafi-pitenenana diso". Inona ilay diso amin'io ? Ilay teboka roa hadino taorian'ny fametrahana ny fetra. Raha tsy voavaha olana izany zavatra izany dia ho eo foana ilay rindrankajy no mijanona.

>>> a = 0
>>> if a <= 0 # SyntaxError hitranga noho ny tsifisian'ny teboka roa ":" amin'ny faran'ny andalana fanambarana.
SyntaxError: invalid syntax
>>>

Ny SyntaxError no hadisoana voalohany indrindra hita ao amin'ny baikonao, kanefa io no azo ialana indrindra. Rehefa mahafehy tsara an'i Python ianao dia ho vitsy hatrany ny hadisoana SyntaxError.