Anisan'ny olana ananan'ny rindrankajintsika, raha nanaraka ny toko ianao, dia ny fitahirizana ny fampahalalana ary ny sangan'asa. Satria rehefa hidiana ny rindrankajy, dia maty miaraka aminy avokoa ireo fampahalalana izay noforonina nandritra ny fampandehanan'ny rindrankajy. Ka mba hitahiry azy eo amin'ny kapila.

Fomba fanamabrana rakitra hanova

Ny fomba fanambarana ny rakitra iray dia ny teny file. Ilaina atao anaty ova iray manokana io, sao voaantso amin'ny tsy misy dikany. Izao ny fomba fanantsoana azy :

ova = file('rakitra tanjona.txt','r')

  • Ny dikan'ilay teny file dia famoronana ny zavatra file, satria zavatra (objet) daholo ny baiko ao amin'i Python.
  • Eo amin'ny parametatra faha roa izay misy ny soratra "rakitra tanjona.txt", dia ahitana ny rakitra tanjona ao amin'ny petra-drakitra misy ilay script alefa.
  • Ilay litera 'r' dia midika fa hovakiana ihany ilay rakitra. Tsy maintsy misy izany ilay rakitra alohan'ny hamakiana azy.
    • Raha 'w' no napetraka teo amin'ny toeran'ilay 'r', dia hovoafafa daholo ny nisy tao anatin'ilay rakitra taloha. Raha tsy mbola nisy namorona ilay rakitra dia hoforonina ilay rakitra.

Famakiana rakitra hanova

Alaina ihany ilay renifango noforonintsika tamin'ilay fizarana nialoha teo. Ny baiko famakiana ilay rakitra dia mandeha, raha hamaky ilay rakitra no ho tanjona. Raha tsy izany dia tsy handeha ilay famakiana rakitra fa hametraka hadisoana sahala :

File not open for reading

Rehefa nataho hovakiana amin'izay ilay rakitra, dia apetraka aorian'ilay baiko, na aorian'ilay ova nanasiana ilay baiko :

ova.read()

Raha tonga dia hamaky ilay rakitra anaty iray bolongana ; na :

ova.readlines()

Raha tiana vakiana tsikelikely, isaky ny andalana iray. Tandremo fotsiny fa tsy kambantsoratra intsony no ampiasaina fa 'generator'. Ka noho izany raha hamaky azy ianao dia mampiasà tondro mifolaka for, azonao ampiasaina sahala izao :

for line in ova.readlines():
   print line # Eto ambany eto no anasiana ny baiko ho an'ny andalana iray hatramin'ny faran'ny rakitra.

Fitahirizana ny sangan'asa ao anatin'ilay rakitra hanova

Hitahiry ny sanganasa, kambantsoratra, isika ao anatin'ilay rakitra voaambara tetsy ambony. Ny baiko hahafahana manao izany dia write. Izay azo ampiasaina sahala izao :

file('rakitra anoratana.txt', 'w').write('K') # fanoratana ny soratra 'K' ao amin'ny rakitra 'rakitra anoratana.txt' jereo [1] ho an'ny antsipirihany.

[1] Tsy mila tahirizana anaty ova iray ilay baiko.

Izay manoratra ilay soratra K ao amin'ilay rakitra voaambara rakitra anoratana.txt.

Tandremo : eo koa, mba hahafahan'ilay rindrankajy hanoratra ao anatin'ilay rakitra voaambaranao, ilay asiana ilay teny w ho argiomenta faharoan'ilay rakitra. Raha tsy izany dia tsy hahomby ilay fanoratana ao anaty rakitra.

Fitahirizana ny sangan'asa ao anatin'ilay rakitra izay tsy mila manitsaka ny fampahalalana efa napetraka tao anatiny hanova

Rehefa hamorona ilay zavatra rakitra, a no atao ho argiomenta faharoa. ilay a dia fanafohezana ny teny append izay midika apetraka eo amin'ny farany.

Ohatra :

ova = file('rakitra.txt', 'a')

Rehefa aveo dia mitovy amin'ny fanoratana tsotra ihany ny fanoratana ao anatin'ilay rakitra rakitra.txt :

ova.write(text)

Fampiasana ny raki-baiko pickle hanova