Ny Ova indray dia fampahalalana tehirizina ao amin'ny tahiry RAM (Random Access Memory). Izay fampahalalana tenenina izay dia mety na tohintsoratra (na string), na isa (na integer), na sanda booleana.

Tohintsoratra hanova

Ny tohintsoratra dia izay litera rehefa eo amin'ny abidy, na isa. Ny hahafantazy moramora kokoa ao amina renifango iray dia izy miloko maitso (eo amin'i Python GUI) ary izy misy farango sosona sahala izao : "

Ny tohintsoratra dia manana ilay atao hoe encodage, ka raha misy litera tsy ao amin'ny ASCII ny tohintsoratrao dia mety hiteraka olana mikasika ny décodage ; ka mba hialana amin'izany dia tsara ampiana u eo alohan'ny tohintsoratrao. Tsy dia tokony hitranga loatra izany amin'ny teny malagasy, fa noho ny fampiasana ny liter à, ò ary ñ amin'ny teny malagasy, tsara ihany no mametraka azy.

Isa hanova

Ny isa indray dia fantarina amin'izy manana isa eo anelanelan'i 0 sy 9 ary izy tsy misy faraingo misosona na loko (eo amin'i Python GUI). Io no anisan'ny ova mora apetraka indrindra.

Amin'i Python, dia ny isa ihany no azo kajiana. Ary ny isa dia tsy azo akambana miaraka amin'ny tohintsoratra.

Rehefa tia hamadika tohintsoratra iray ho isa : dia apetraka fotsiny ilay teny int miaraka amin'ny ova voafononteny. Izao fotsiny ny fepetra : tsy mahazo misy litera ao amin'ny abidy ilay tohintsoratra.

Sanda booleana hanova

Ny sanda booleana indray dia miisa telo : True ("Marina"), False ("Diso") ary None ("Tsy misy"). Izay ireo dia, raha amin'ny resaka elektrônika : 1, 0 na tsy misy izany hoe tsifisian'ilay voaka.