I Python dia rindrankajy ibaikoana, izany hoe fanamboarana rindrankajy. Manana lisansa malalaka i Python. Izy io dia atao amin'ny teny frantsay hoe langage de haut niveau, izany hoe mpanamboatra rindrankajy izay tsy mila fahaizana manokana. Amin'ny resaka sokajy rindrankajy fanamboarana rindrankajy, dia misy ilay atao hoe bas niveau, ny rafi-pibaikoana ampiasain'ireo rindrankajy mpanamboatra rindrankajy ireo dia akaiky kokoa ny fitenin'ny milina, izay mahazo zavatra roa ary roa fotsiny : 0 ary 1.

Ny zanak'asa ao amin'ny informatika hanova

Misy karazana informatisianina maro : misy ireo manao ilay hoe développement, izay mamorona rindrankajy vaovao amin'ny alalan'ny rindrankajy ibaikoana, ary misy ireo informatisianina mikarakara ary miambona ny rindrankajy.

Ny ilàna ny rindrankajy ibaikoana sahala an'i Python hanova

Inona moa ny ilana rindrankajy fibaikoana rindrankajy ? Ny milina dia fiteny iray ihany no hainy : ny fanisana roa fototra, izany hoe hatramin'ny 1 ihany izy no mahay manisa, ka tsy mahay zavatra hafa ny milina ampiasainao mamangy ity pejy ity afatsy izany. Ka raha hamorona ridrankajy isika, hahafahantsika mampiasa ny Tranonkala izao ohatra, dia ho arivo taona izany vao vita. Ilàna, hanamora ny fibaikoana ny rindrankajy ny rindrankajy ibaikoana, satria mora ampiasaina sady tsy mandany fotoana. Araka izany, dia vita afaka volana vitsivitsy ny mpitety Tranonkala, fa tsy vita aman-taonany intsony.

Betsaka ireo rindrankajy ibaikoana misy erak'izao tontolo izao, tsy Python no tena ampiasaina indrindra fa ny C, anefa i C dia rindrankajy ibaikoana atao hoe bas niveau, izany hoe sarotra ny mamona rindrankajy amin'ny alalan'ilay rindrankajy fibaikoana, anefa ny lalao malaza indrindra manerana izao tontolo izao dia soratana amin'io rindrankajy ibaikoana io. Misy koa ny Java, rindrankajy haut niveau ampiasaina hanaovana lalao kely lanja toy itony lalao online, izay lalaovina eo amin'ny sehatr'i zebest-3000.com ohatra. Dia misy koa ny Javascript hahafahan'ny pejin-tranonkala mifandray amin'ny fomba tsaratsara kokoa amin'ny mpitsidika, sns...

Fametrahana azy eo amin'ny solosainao hanova

Fangalana an'i Python eo amin'i Aterineto hanova

Ny release farany dia azonao alaina any amin'ny Tranonkala ofisialin'i Python (sehatra miteny anglisy). Jereo eo amin'ny sehatr'i Python : http://www.python.org/ dia safidio ny ilainao fantaro fotsiny fa ny renifango soratana amin'ny alalan'i Python 2.x dia tsy azo alefa amin'ny alalan'i Python 3.x ; ary tokony itandremanareo izany, rehefa mampiasa an'i Pywikipedia ohatra (raki-baiko hahafahana mifandray amin'ny tranonkala mampiasa ny motera MediaWiki, izany hoe ireo tetikasan'ny fikambanana Wikimedia ary Wikia).

Ireo avy ny santiôna azonao ampiasaina : Python 2.7, 2.8 ary 3.x : hitanao eto, amin'ny teny anglisy izay santiôna an'i Python azonao ampiasaina.

Fametrahana azy eo amin'ny solosainao hanova

Ilaina jerena eo amin'ny sehatr'i Python.org (http://www.python.org/download/) Raha manana ny hevitry ny hampiasa an'i Pywikipedia ianao, dia safidio ilay hoe Python 2.7.2 Windows X86-64 Installer, raha mampiasa milina maoderina, na Python 2.7.2 Windows Installer raha mampiasa milina somary tranainy (< 5 taona) ; Raha tsy hampiasa an'i Pywikipedia ianao, dia Python 3.2.1 Windows X86-64 MSI Installer (Python 3.2.1) ampiasaina.