Python/Baikonao voalohany

Efa eo amin'ny solosainao ny rindrankajy python ary azonao ampaisaina izy. Sokafy i Python (IDLE GUI), dia mamoròna rakitra vaovao (Ctrl+N)

I python dia rindrankajy mora ampiasaina. Raha tsy hanao zavatra sarotra ianao (maneho soratra iray eo amin'ny efa-joro ohatra), dia teny roa monja no ilaina :

Fanehoana zavatra eo amin'i Python hanova

Ny tanjontsika ato amin'ity fizarana ity dia haneho Salama! eo amin'ny efa-joro.

Izao ny baiko :

print 'Salama!'

Izao no havoakan'io andalana io eo amin'i "Python shell" :

>>> print 'Salama!' # Zavatra nosoratako tao amin'ilay Python shell
Salama!
>>>