C/Baiko voalohany

< C

Ny baiko voalohany azo tanterahana dia ny Salama daholo izay fantatra fa manehoseho ny raritenin'ny fiteny fandaharana rehetra.

Fandaharana voalohany hanova

#include <stdio.h> // (1)

int main(void) // (2)
{
  printf("Salama daholo!"); // (3)
  return 0; // (4)
}

Famisavisana amin'ny antsipirihany hanova

(1) Baiko tanterahana alohan'ny fandikana. : ny baiko rehetra atao alohan'ny fandikana ny kaody C ho kaody milina. Ohatra: fandikana ny kaody anaty rakitra ivelany ho kaody milina alohan'ny fandikana ny tao anatin'ny rakitra iasana. Ny atao eto amin'ity fandaharana ity dia mandika ny votoatin'ny stdio.h ho kaody milina.

(2) Anaran'ny tao ary ny argiomenta ilaina. Ny tao rehetra dia manaraka ny rariteny manaraka : karazan'ny sanda averina, anaran'ilay tao ary ny argiomenta ilaina hiantsoana ilay tao (raha tsy misy dia void ny teny ampaisaina.

(3) Baiko fanehoana tohintsoratra. Mampiasa ny tao printf izay voafaritry ny rakitra stdio.h. Io tao io dia maneho ny tohintsoratra voafaritra ho argiomentany voalohany eo amin'ny fikandrana.

(4) Sanda averina. Ny sanda averin'ilay tao. Tsy maintsy mifanaraka amin'ny karazan'ny sanda averina, izay voafaritra tany amboalohan'ny tao.