Angovo azo avaozina/Angovo avy amin'ny Zavamaniry

Ny angovo avy amin'ny zavamanaina izay mety ho zavamaniry na biby dia vokarina avy amin'ny zavamaniry sy ny biby toy ny maloto avy amin'ny biby na fako avy amin'ny zavamaniry. Ny zavamaniry dia fermenté ao anaty kamory ary ny entona dia vokarina amin'ny hetsiky ny mikro-organisma. Ity entona ity dia angonina ary ampiasaina ho solika. Misy mihitsy aza ny foto-kevitra antsoina hoe fambolena angovo izay misy zava-maniry voafaritra manokana volena ary ny tanjona fototra amin'izany dia ny hanome sakafo ho an'ny kamory fermentation mba hamokarana angovo.

Ankoatra ny famokarana entona, ny biôma misy amylozy tsara dia azo avadika ho alikaola toy ny etanôla na metanôla. Ireo alikaola ireo dia tena mety ampiasaina ho solika. Ny iray amin'ireo mpampiasa lehibe ny solika avy amin'ny alikaola amin'ny fitaterana an-dalana dia i Brezila. Any amin'ny firenena maro, ny alikaola dia afangaro amin'ny solika lasantsy/dizely amin'ny ambaratonga samihafa.