Vavitokana i Volanoro hanova

Fahiny, hono, nisy lehilahy mpanefoefo hoe Ndiambe. Ny trano nonenany dia vita tamin'ny hazo nato, tao amin'ny tanàna kely voahodidina rova kanto . Ny voalohany tsy voaisa herintaona, ny variny arivo famoloana, ny mpanompony folo tanàna ary ny ombiny zato kijàna.

Zanak'olona manontany ny ory koa ny vadiny, nefa indrisy fa tsy niteraka izy nivady. Nalahelo mafy izy no izany ka nanatona ny mpisikidy rehetra tao amin'ny faritany. Narahiny trsara avokoa ny toro-hevitra nomena azy, nefa tsy nisy vokany. Tsy nety kivy izy na izany aza, ka indray andro dia nisy mpisikidy nanoro azy hivavaka amin'i Zanaharianambo sy hifady ny lainga. Dia narahiny izany sady nivoady izy fa raha mahazo zaza dia hofadiny mandrakizay ny lainga, ny fitaka sy ny soliky.

Nivaly ny hataka nataony fa niteraka vavitokana izy mivady. Tsara tarehy indrindra, hono, razazavavy, k araky ny tsaroana dia mbola tsy nisy zazavavy soa toy izany tao amin'ny faritany. Ny fanjelatry ny volo-kodiny, ny filantolanton'ny volon-dohany, ny halemin'ny hoti-tavany sy halefadefan'ny bikany dia nanintona ny maso rehetra, mampaniry ny reny hiteraka, nataon'ny tovovavy firesaka ary nampanofonofy ny tovolahy nahita azy.

Nitombo tao anaty fahasambarana i Volanoro, fa izany no anarany ka arakaraky ny fitomboany tena no nitomboan'ny endriny koa. rehefa mamelana ny hatanorany, tovolahy maro avy tamin'ny lafy valo no tonga nangataka azy ho vady. Tsy nanan-tsafidy anefa razazavavy afa-tsy ny safidin-dray aman-dreniny. Manodoka ivelany ny tovolahy hoy izy, fa ny ray aman-dreny no tia hanolo-bato mafana.

Tovolahy iray zay no lanin'i Ndiambe sy ny vadiny ho vinanto. Kajo ny omalin'ny hilazana amin'ilay voafidy iti vaovao mahafaly no nitranga ny sendrasendra tsy ampoizina ny fikasana

Heviteny hanova

  • Hazo nanto : dia mpaniry ao amin'ny ala antsinanana. Ny hodiny dia fampiasa hanamboarana loko mena fanao amin'ny landy na jiafotsy tenomina
  • Kijàna : Dia faritra malalaka fefan amin'ny tsaokazo mba handrian'ny omby andiany ompiana any an-efitra