Ny langage C dia noforonin'i Dennis Ritchie tao amin'ny Bells Labs tamin'ny taona 1972 mba hahamora ny fanoratana ny mpandrinra milina UNIX izay nosoratan'i Ken Thompson ary Dennis Ritchie.

Ny UNIX teraka ny tamin'ny faran'ny taona 1960 dia nosoratana tamin'ny alalan'ny famisavisana rakitra Assembler (mpanangonana) ho an'ny milina izay natao ho azy. Na dia hahafahana manoratra ilay mpandrindra milina aza ilay Assembler, sarotra ny mampiasa azy. Satria samihafa arakaraky ny piraosesera ny fanoratana.

Lafitsaran'i C hanova

Amin'ny maha rindrankajy fibaikoana ambany lenta an'ilay C, dia hahafahana manao tao mandeha haingana be izy io; mitovy hafaingana ny rindrankajy nosoratana tamin'i C ary ny rindrankajy soratana amin'i Assembler.

Nampiasa ny C daholo ireo mpandrindra milina fantatra amin'izao fotoana : Microsoft Windozs, Mac OS X an'i Apple ary GNU/Linux. Fa maninona? Ny antony dia izy ireo tonga dia eo amin'ny lenta akaiky ny milina (izy no sosona faharoa manaraka ny mila), izany hoe tsy misy sosona "rindrankajy" ambany noho izy. Tamin'ny voalohany, soratana amin'ny alalan'ny assembler ny mpadrindra milina, izay mahahaingana ary mampatanjaka azy. Kanefa manary fotoana be mihitsy ny manoratra amin'ny alalan'ny assembler ary tsy afaka mandeha raha tsy amin'ny firafitra piraosesaoro iray ihany ilay kaody navoaka: toa ny Intel X86 na ny AMD 64. Ny anisan'ny lafitsara ananana rehefa manoratra amy langajy ambony lenta kokoa toa ny C dia hahafahan'ny mpanoratra rindrankajy mampiasa ny rindrankajiny eo amina milina tsy mitovy firafitra piraosesaoro.

Fa maninona ny C fa tsy ny Java, Basic na Perl? Ny antony dia resaka tahiry: Ny C dia hahafahana mampiasa, mamorona, manova ary mamafa ny tahiry araka ny sitraky ny mpanoratra rindrankajy, tsy ohatry ny langage sasany toa ny Java na ny Perl.

Ny C ary ny C++ hanova

Ny C dia samihafa amin'i C++ na dia mifototra amin'i C aza ny fomba fanoratan'i C++.

Ny C++ dia noforonina avy amin'i C, ka arak'izany hain'ny kaompilatera C++ vakiana ny renifango nosoratana araka ny fitsipika apetraky ny C. Fa anefa kosa mety tsy ho zakan'i C ny renifango nosoratana araky ny fitsipika apetraky ny C++.

Ary na dia misy renifango hain'ny kaompilateran'ireo fiteny roa ireo, mety samihafa ny fitondran'ny rindrankajy rehefa voa-kaompily.